Faly sy taitra tokoa aho niheno ny teny notenenin'i Bessa tamin'ny nahalasana an'Itompokolahy Georges Andriamanantena hoe ny tena tokony ataontsika dia ny misaotra an'Andriamanitra noho ny 85 taona be izao niainany teto an-tany sy ny nanomezany lanja ny asasoratra malagasy nefa "tsy misy fisarahana tsy arahin-tsento na fahafatesana tsy arahin-dranomaso".
Ary tena faly tokoa aho fa efa nahita sy nahatratra an'izany andrarezina hoe Rado izany...
Tiako ianao no sady hàlako
Fa mangidy koa no mamiko!
“Fahavaloko”, “Malalako”
Samy anaranao raha amiko
Angolaiko hoe “Fitiavako”
No bantiko hoe “Mpamitaka”
Mifangaro eo am-bavako
Ny hatezerana sy sitraka
Tezitra aminao ny foko
Misamboaravara erikitra!
Kelikely indray...Misoko
Ilay fitiavako mamikitra
Dinitra